Fifamoivoizana

Taksibe Ivato –Zotra filamatra Mbola misy manao hadalana ihany


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Na dia efa nataon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT ho zotra filamatra modelin’ireo taksibe eto an-drenivohitra aza ny zotra D, mampitohy an’i Vassacos amin’Ivato dia mbola misy ihany ireo manao ny ataony.

 

 

Tsy  mitondra ireo mpandeha mamonjy fodiana eny Andohatapenaka sy ny manodidina ny ankamaroan’izy ireo rehefa harivariva manomboka amin’ny 04 ora  iny fa avy hatrany dia mamaky mihazo ny lalam-baovao rehefa avy manala olona etsy amin’ny  tobim-piantsonana Andohatapenaka ary mivoaka avy hatrany eny 67 ha.  Noho ny fitohanana lavareny eny amin’ny digy mivoakan’Andohatapenaka iny no nambaran’ireo mpamily sy ny mpanampy azy fa anton’izany raha tsy misy intsony kosa ny fanariana mpandeha eny Andranomena sy ny fihodinana an-dalana toy ny teo aloha.  Mbola misy amin’ireo mpandeha ihany no mijaly koa mangataka fanaraha-maso avy amin’ireo tompon’andraikitra. Tsiahivina moa fa efa ahitana ireo peta-drindrina manome toerana ny vehivavy bevohoka sy ny olona manana fahasembanana ao anatin’ireo taksiben’Ivato rehetra. Efa misy ihany koa ny laharam-pinday hahafahana miantso ireo tompon’andraikitra raha sanatria misy zavatra tsy mety hataon’ireo mpamily sy ny mpanampy azy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT