Betsaka ny fitarainana nataon'ny mponina sy ny mpandeha amin'ny zotra Ivato - Vassacos noho ny tsy fanarahan-dalàna ataon'ny koperativa mpitatitra.
Tsy nanaiky lembenana ny kaominina Ivato ka nandray fepetra niaraka tamin'ny minisiteran'ny fitaterana, ny ATT, ny zandarimariam-pirenena sy ny polisy kaominaly. Efa nisy ny fotoana nampitandremana sy nanabeazana ary nanoroana ireo koperativa mpitatitra eny Ivato sy ny mpamily ary ny mpanampy ny mpamily. Miditra amin'ny fampiharana ny lalàna kosa ny tompon’andraikitra ankehitriny. Nanentana manokana ny mpandeha koa ny kaominina mba tsy hanaiky ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanitsakitsahana ny zony sy ny tsy fanajana ny bokin'andraikitra. Naparitaka ny nomerao azon'ny mpandeha hiantsoana mivantana an'ireo tompon’andraikitry ny fitaterana. Nandritra ny fitsirihana tampoka teny an-dalambe no nahatrarana ireo taksibe tsy manana taratasy fahazoana miasa, ao ireo milaza fa an'ny bebokotra sy be kintana ka mihevitra ho ambonin'ny lalàna, ao koa ireo nametaka makarakara amin'ny varavaran'ny fiara izay tsy ara-dalana sy ny nampiasa takelaka tsy manaraka ny fenitra. Nisy ny voasazy sy nampidirina "fourriére " avy hatrany. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny ATT, kasaina hatao zotra filamatra ny Zotra D mihazo an’Ivato amin’ny kalitaon’ny asa sy ny fanajana ny mpandeha. Hasiana GPS (Global Position System) hahafahana manara-maso ny fiara amin’ny alalan’ny teknolojia. Haverina ihany koa ny fampiasana ny tapakila. Handeha tsy ho ela ity tetikasa ity, ary ao anatin’ny 3 volana dia efa tokony hisy vokatra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.