Fifamoivoizana

Taksibe Ivato nifoaka Taksi Olona maromaro no naratra mafy tetsy 67 ha


  • Talata 15 Novambra 2016

Nandratra olona indray ny fiara sprinter. Taksibe iray ao amin’ny zotra D mampitohy an’Ivato sy Vassacos no nifaoka fiarakaretsaka roa samy nijanona teo amoron-dalana ka nihorirana saika nivadika ambony ambany, omaly folakandro tokony ho tamin’ny 1 ora tetsy 67 ha.

 

Vokany, olona maromaro no naratra ka anisan’izany ny ankizikely iray teo akaikin’ny mpamily izay nipitika tany ivelany sy vehivavy iray voatsindrin’ilay fiara. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy. Raha araka ny vaovao azo dia diso nandeha mafy loatra  ny mpamilin’ity taksibe iray  ity izay marihina fa avy any Ivato hihazo an’i Vassacos. Mba tsy nisy fitohanana  teny an-toerana nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza.  Nisy tamin’ireo naratra moa no fantatra fa mpivarotra amoron-dalana ankoatra ireo mpampiasa lalana tsotra.  Araka ny vaovao azo farany dia tapaka tanteraka ny lalana teny amin’iny faritra iny nanomboka tamin’ny 1 ora folakandro teo, antony  niteraka ny fitohanana hatreny amin’ny digy mihazo an’Ivato. Tokony hisy indray  ny fepetra hentitra horaisin’ny tompon’andraikitra manoloana ity tranga teny 67 ha ity. Efa miha manakaiky mantsy ny fety, fotoana mahabe olona ka mila tonga saina ny rehetra, indrindra fa ireo mpamily diso mandeha mafy loatra na misotro am-perinasa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT