Fifamoivoizana

Taksibe hiasa manomboka rahampitso Hentitra ny fepetra, notsinjaraina ho roa


  • Talata 21 Aprily 2020

Namoaka ny andinindinin’ny fepetra noraisina momba ireo zotra « suburbain » eto Antananarivo, heverina hiasa manomboka ny alarobia ary mandritry ny 15 andro manaraka ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny fizahantany,

 

 



 ary ny famantarana ny toetr’andro. Handalo “désinfection” ireo fiara rehetra manomboka anio talata 21 aprily amin’ny 2 ora tolakandro ; Tsy mahazo manao taingimbe, ary tsy asiana olona ny lalantsara, na mitsangana na mipetraka; 3 isaky ny sezalava ho an’ny fiara Mazda ; Olona iray ihany no eo amin’ny “devant” akaikin’ny mpamily; Ny taxibe zotra Sub-urbain dia mahazo miasa hatramin’ny 3 ora tolakandro; Tsy maintsy manao arovava (cache-bouche) ny mpandeha vao mahazo miondrana ao anaty fiara; Tsy maintsy asian’ny resevera “gel désifinctant” ny tanan’ny mpandeha eo am-pidirana ny fiara; Tsindriana fa tsy misy fampiakarana ny saran-dalana fa mijanona toy ny mahazatra izany. Mba tsy hisian’ny fitohanana sy fatiantok’ireo mpitatitra, dia nalamina toy izao ny fiasan’ireo fiara : ireo izay manana laharana (numéro d’immatriculation) miafara amin’ny isa ankasa na “nombres pairs” (0, 2, 4, 6, no miasa ny alarobia izao (22 aprily), ireo izay mitondra laharana miafara amina isa tsy ankasa na “nombres impairs” (1, 3, 5, 7, 9) kosa no miasa ny alakamisy, ary mifandimby toy izany hatrany hatrany isan’andro, hoy ny Minisitera.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT