Fifamoivoizana

Taksibe eto Antananarivo Tsy nisy « gél désinfectant » ny ankamaroany


  • Talata 12 Mey 2020

Tsy nanana « gél désinfectant » ny ankamaroan’ireo taksibe teto Antananarivo omaly alatsinainy 11 mey fa ireo nanana ambiny sisa tsy lany sisa no nampiasa tamin’ny ankapobeny.

 

 

Tsy misy intsony mantsy ny fizarana nataon’ny fanjakana, ary efa nampahafantarina fa fanampiana no natao hatrizay. Asan’ny mpitatitra io, ka anjaran’izy ireo no mba miantoka raha ny nambaran’ny Jeneraly Reribake Jeannot Tale Jeneralin’ny ATT. Efa nilaza ho maty antoka kosa ireo mpitatitra saingy mbola hanangona hatrany amin’ny 15 000 Ar hividianana “gél disinfectant”, ka asa izay hiafarany. Ahoana ny fiarovana ny aim-bahoaka? Midika ve izany fa tsy ampy na tsitsiana sy haompana amina lafin-javatra hafa ny tetibola tokony hiatrehana ny coronavirus? Avy amin’ny volam-panjakana sa avy amin’ny Fikambanana Fitia manokana ny “gél” nozaraina hatrizay? Tsy hisy intsony ihany koa moa ny famendrahana fanafody rehefa tapitra ny 15 andron’ny hamehana ara-pahasalamana, raha ny fampahafantarana efa natao ny mpitatita.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT