Taksibe eto Antananarivo

Tsy maintsy hiakatra ny saran-dàlana…


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Tsy azo hihodivirana ny fiakaran’ny saran-dàlana eto Antananarivo !

Io no nivoitra tamin’ny fihaonan’ireo Koperativa ivondronan’ny mpitaitra eto an-drenivohitra, izay nivory ny herinandro teo, raha ny loharanom-baovao azo. Antony maromaro no voalaza fa antony tsy maintsy hirosoana amin’izany, ka anisany ny : mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika izay efa nambaran’ny Fanjakana fa hirosoana, ny haratsin’ny làlana eto Antananarivo, ny halafon’ny piesy sy ny fikojakojana ny fiara. Mbola adihevitra kosa na izany aza ho an’ny mpitatitra ny hoe : ohatrinona eo ny fiakarana hampiharina ? Rahoviana no hihatra marina ? Mbola ao anatin’ny adihevitra mikasika izany moa ireo mpitatitra amin’izao fotoana izao. Na izany aza, efa nisy ny namoaka teo aloha, fa tsy hihoatra ny 1000Ar ny saran-dàlana eto an-dRenivohitra, tao ny naneho fa eo amin’ny 200Ar ny fiakarana ka ho 800Ar ny saran-dàlana atsy ho atsy. Ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ihany koa tetsy an-daniny efa nisy nanambara an’io hirosoana amin’ny fiakarana io ny herinandro teo, ka mitovy amin’ireo voalaza etsy ambony ihany no antony. Henjana ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena satria tena hiantraika sy hitarika fiakaran’ny vidim-pianana hatrany io raha tanteraka eo. Mba manana vahaolana hanalefahana an’izany ve ny Fanjakana sa hiezaka hanadala saim-bahoaka amin’ny zavatra manidintsidina hatrany ? Ny volana jolay 2022 no nisy fipoahana ny fidin-tsolika teto amintsika, izay manodidina ny 3500Ar ny gazoala no lasa 5000Ar fa ny hany resaka petatoko nataon’ny mpitondra dia hanafatra bus maoderina 1000 hampiasana eto Antananarivo. Ny taksibe 600Ar izay mety hiakatra 800 hatramin’ny 1000Ar aza manahirana ny vahoaka izay tena sahirana amin’ny lafiny maro ka tena ny teleferika 3000Ar tokoa ve no vahaolana ho an’ny renivohitra ? Andaniny ho an’ny taksibe, isan’ny mbola maha be fitarainana ny kalitaon’ny fitaterana ka moa mba hisy ve ny fivoarana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT