Fifamoivoizana

Taksibe eto Antananarivo Hiakatra 700 Ar ny saran-dalana


  • Alarobia 11 Aprily 2018

Nanao fanambarana teny Ambodivona omaly ny Fikambanan’ny Koperativa Fitaterana an-drenivohitra sy ny manodidina (UCTU). Hiakatra 700 Ariary ny saran-dalana manomboka amin’ny alarobia 25 aprily ho avy izao, hoy Randrianatoandro Lova filohan’ny UCTU.

Ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay niakatra 70 Ariary moa no tena antony. Manginy fotsiny ny fahalafosan’ny kojakoja ilaina amin’ny fiara noho ny afitsoky ny faharatsian-dalana. Etsy an-daniny, nanambara ny minisitry ny rano sy ny angovo ary ny akoran’afo fa efa tokony hisondrotra 90 Ariary isaky ny litatra io fa vokatry ny fifanarahana nataon’ny fanjakana sy ny toby mpitsinjara solika dia voatazona ho 70 ariary. Nanambara ihany koa ny hijery akaiky ny hanampiana an’ireo taksibe hitazomana hatrany ny saran-dalana ho 400Ar ny minisitra. 70 dolara eo ho eo izao ny barilana solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary iaraha-mahalala koa ny fitotongan’ny vola Malagasy manoloana ny dolara. Miantraika amin’ny vidin-tsolik’i Madagasikara ny fiakaran’ny vidin’ny ny barila maneran-tany. Na inona na inona ambara dia tsy zakan’ny vahoaka ny saran-dalana 700 Ar. Ny 400 Ar sy 500 Ar aza efa mampifamaly any anaty taksibe. Rehefa miakatra ohatran’io koa moa ny solika dia ahiana hatrany ny fiakaran’ny vidin-javatra ilaina rehetra. Hiakatra indray izany ny vidim-piainana izay efa tena mampahory ny Malagasy. Azo antoka ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy raha toa ka tsy mahita vahaolana mahomby ato anatin’ny 15 andro ny fitondram-panjakana sy ny mpitatitra.


Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT