Misy amin’ireo taksibe miasa eto an-drenivohitra amin’izao efa tsy tokony hiasa intsony.
Maro amin’izy ireny no zara raha misy varavarankely na tonga dia goaka be avy hatrany ary hidiran’ny orana rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao ankoatra ireo efa tena ratsy endrika amam-bika. Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo feno vy mandratra ao anatiny ka raha tsy mitandrina dia mitondra takaitra tanteraka. Ny mahavariana anefa dia mbola mahazo alalana hiasa avy amin’ny tompon’andraikitra ihany izy ireny. Tsy sakanan’ny mpitandro ny filaminana ihany koa na dia manahirana tahaka itony hitantsika amin’ny sary itony aza. Antso avo no hatao amin’ireo tompon’andraikitra voakasika mba hijery akaiky ireny karazana fiarakaodia efa tsy tokony hiasa intsony ireny ho fitandroana ny ain’ny mpandeha.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.