Fifamoivoizana

Taksibe 194 Mikolay ireo mpanjifany


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Maro ireo zotra mpitatitra efa nampitaraina fa ny an’ny zotra 194 mampitohy an’Andrainarivo sy Andranomena efa tafahoatra ny tsy fanajana mpandeha sy tsy mety ataony, hoy ny mpanjifa iray.

Raha ny nambarany, rehefa tsy misy ny mpanara-maso na « Pointeur » dia mandeha avy hatrany izy fa tsy mampiditra olona eo amin’ny fiandoham-piantsonany (Prémus) etsy Andrainarivo. Mialoha ny handraisan’izy ireo mpandeha ihany koa anefa dia hanontaniana aloha izay toerana halehan’ilay olona ka raha vao lavidavitra dia lazainy fa tsy mankany izy ireo. Ramatoa bevohoka 1 koa no nitaraina fa matetika ny tenany no fanina mihitsy noho ireto zotra ireto tsy mety handray azy. Ny sasany indray kosa nilaza ho nahita fa misy amin’ireo “pointeur” mihitsy koa no miray tsikombakomba amin’ny hadalan’ireo mpitatitra. Miantso ny tompon’andraikitra moa ireo mpanjifa mba handray ny andraikiny amin’ny fanimbazimbana mpandeha hataon’ireo taksibe 194 ireo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT