Fifamoivoizana

Taksibe 193 sy 133 500 Ar ny saran-dalana manomboka ny 01 septambra


  • Zoma 17 Aogositra 2018

Raha efa mampitaraina fatratra ireo mpandeha maro ny fiakaran’ny saran-dalana ho 500 Ar ho an’ireo mpitatitra mivondrona ao anatin’ny FMA eto an-drenivohitra dia fantatra fa hampiakatra ny azy ihany koa ny taksibe laharana 193 mampitohy an’Anosimasina Itaosy amin’Ampasampito.

Toraka izany koa ny zotra 133 mampitohy an’Itaosy amin’Analakely. Ny fiandohan’ny volana septambra ho avy izao no hanatanterahan’izy ireo izany, raha araka ny peta-drindrina hita any anatin’ireo taksibe ireo. Noho ny fidangan’ny vidin-tsolika no nambaran’ireo mpamily nanaovana fanadihadiana fa  anisan’ny antony ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiara. Manohitra  tanteraka izany ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa tarihin-dRabetsara Lita. Tsy manome tsiny ny taksibe laharana  193 ny tenany  satria raha araka ny fantatra dia mety hiakatra amin’io fiandohan’ny volana septambra io indray ny vidin-tsolika eto amintsika ka  ny fanjakana no tokony hanao ezaka. Vao mainka hihamafy ny tolona ho an’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ankoatra ny eto an-drenivohitra dia hanentana ireo zotra ao amin’ny nasionaly ihany koa izy ireo toy ny mianatsimo, miantsinanana, mianavaratra hametrahana ilay peta-drindrina mitaky ny hampidinana ny vidin-tsolika.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT