Taksibe 192 voafaokan’ny kamio

Nikaperotra tanteraka, 13 naratra


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Nisehoana lozam-piarakodia lehibe teny Analamahitsy làlana

miazo an’i Nanisana ny marainan’ny omaly alahady. Taksibe zotra 192 anankiray no voafaokan'ny kamio kely iray mpitatitra fako. Mafy ny fifandonana ary tena potika nikaperotra tanteraka ilay taksibe, raha ny sary. Nahatratra 13 ireo naratra vokatr’izany, ny 7 tamin'ireo no voalaza fa tsy maintsy natao fizaham-pahasalamana manokana. Niditra an-tsehatra tamin’ny famonjena ireo naratra ny mpamonjy voina. Voalaza fa efa miaraka mandray ny andraikitra tandrify azy ny CUA , Koperativa ary ny tompon'ny fiara.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT