Taksibe 154 namono olona an-kitsirano

Notrongisiny sy notaritaritiny ilay mpitondra moto


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Zava-doza sy habibiana tsy roa aman-tany no nataon’ny taksibe iray ao anatin’ny zotra 154 mampitohy

an’Amboditsiry sy Forello ny takarivan’ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa nanao fahadisoana avy nandona olona tany Tsimbazaza io taksibe io izay mitondra ny laharana 0348 TAP ka nitsoaka. Nifanenjehan’ny moto maromaro, ka teny Mahamasina vao tratran'ilay mpitondra moto ka nifamaly teo ny mpamily sy ny mpitondra moto iray. Nabahan'ilay moto teo anoloan'ny fiara ny moto nentiny, ary efa nijanona ilay fiara ka raikitra ny fifamaliana, ka nodomin'ity mpamily taksibe ilay moto ka nianjera, ary rehefa voadona dia mbola notohizany ihany ny diany, ka fesina tao ilay mpitondra moto, notaritaritiny sahabo 50 metatra teo, hany rotika tanteraka ny vatany nokaofin’ny « goudron »,... . Voalaza fa mbola nahateny ilay mpitondra moto hoe "... Zoky a, ato ambany ato aho..." fa tsy nohenoin'ilay mpamily. Niorakoraka ny olona, nisy koa ny nanenjika. Tonga lavidavitra ihany ilay fiara izay vao nety nijanona ny mpamily. Efa saika hitsoaka indray ilay mpamily, dia nenjehin'ny olona ka tratra. Mbola nanompa ny olona nisambotra azy izy, sady nilaza ho mafy be, ka nodarohan'ny olona sy nanaparany ny hatezerany nialohan’ny fahatongavan’ny polisy izay nitondra azy. Nahitana tavoahangina labiera tao amin'ilay mpamily. Ilay mpitondra moto kosa izay naratra mafy sy tena nampivarahontsana ny fahavoazany nentina novonjena haingana teny amin’ny Hopitaly, saingy tsy tana ny ainy. Randrianavalona Nambintsoa mickael, no anarany mipetraka eny Anosizato Andrefana fa avy any Antsirabe ny fihaviany, manambady ary mananjanaka kely vao 4 volana. Vao feno 4 volana ny zoma lasa teo ny zanany no izao kamboty tsy fidiny noho ny hetraketraky ny hafa izao. Azon’ny « caméra de surveillance » teo amin’ny manodidina moa ny ampahany tamin’ity fisehoan-javatra nampihoron-koditra ity. Efa nisy nanao fitarainana tato amin'ny tambajotra taona vitsivitsy lasa izay fony izy mbola zotra 183 (CAT) satria tia mandeha mafy sy misetrasetra. Rehefa lasa 154 indray dia izao mamono olona izao satria ny saofera mamo sy miseho mafy be, hoy ny fanamarihan’ny olna.
HELOKA MARO SOSONA
Heloka sy vesatra maro no azo hanenjehana ity mpamily ity niainga tany amin’ilay tranga tany Tsimbazaza hatreny Mahamasina: fanaovana lozam-pifamoivoizana, fitsoahana rehefa avy nanao loza, lozam-pifamoivoizana niniana natao, vono olona niniana natao, fisotroana na fahamamoana teo am-pamiliana,… Saropady ny resaka familiana, ary ny loza tsy nahy aza efa tsy fidiny saingy itony dia tena vono olona niniana natao. Izao no manamafy fa tena ilaina ny fanadihadiana sy famotorana lalina momba ny toetra amam-pitondran-tena na « enquête de moralité » ho an’ny mpamily taksibe sy ny fitateram-bahoaka samihafa. Tsy resaka fankahalana fa betsaka no mivaona, tsy manaja lalàna, tsy manaja bokin’andraikitra, tsy manaja mpandeha,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT