Fifamoivoizana

Taksibe 119 tapaka hisatra Nandratra ny mpandeha tao anatiny


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Fiara fitateram-bahoaka mitondra ny laharana 119 mampitohy an’Ankatso sy 67ha indray no tapaka hisatra ka

nivadika sy nandratra ny mpandeha rehetra tao anatiny omaly hariva nanodidina ny tamin’ny 6 ora sy 20 minitra teo. Nitsoaka ilay mpamily, raha ny fampitam-baovao voaray tamin’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy teny amin’ireo hopitaly akaiky kosa ireo niharan-doza. Tsy vao sambany no nisiana tranga teo izao teo amin’io fanitsin’ny zaridainan’Ambohijatovo io vokatr’izay isatra tapaka izay fa dia niara-nahatsiaro ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa ny mpanara-baovao. Hatraiza ny fanaraha-mason’ireo tomponandraikitra manoloana ny tranga mateti-piseho toy itony? Tena notsaraina araka ny tokony ho izy ve ireo fiara mifamezivezy eto? J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT