Taksibe 119 nivoaka

ivelan’Antananarivo Tra-doza teny Ambatolampy, 3 namoy ny ainy


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambatolampy PK 57+800 omaly Alahady 20 Oktobra. Taxibe Toyota ao amin’ny koperativa Ainga vao 119 no nivoaka ivelan’ny lalana tampoka raha hiditra tetezana ka nisidina ambony ary nifatratra tany ambany avy hatrany. Avy any Antsirabe hody eto Antananarivo io taksibe io, nitondra fianakaviana avy namonjy raharaham-pianakaviana ary nahazo alalana soa aman-tsara. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny tsy fahamailoana teo am-pamiliana no nahatonga ny loza. Olona miisa 3 be izao moa no indray namoy ny ainy vokatr’izany ka zaza vao 6 taona monja ny iray. Vehivavy 31 taona kosa ny iray niampy ny mpamilin’ ilay fiara. Mpandeha miisa moa no naratra ka nahitana zaza madinika vitsivitsy ihany koa.Taorian'ny fitsaboana haingana natao ireo maratra tao amin'ny CHRD Ambatolampy dia nisy olona miisa 5 tsy maintsy nalefa ao amin’ny CHU-HJRA Ampefiloha Antananarivo.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara taxibe 119 !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT