Fifamoivoizana

Taksi sy Taksibe eto an-drenivohitra Maro ireo efa tena ratsy sady tsy manara-dalàna


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Betsaka amin’ireo fiarakaretsaka sy taksibe miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao no efa tena ratsy.

Ankoatra ny fampidirana solika izay tsy mandeha amin’ny laoniny intsony dia misy ireo tsy misy varavarankely intsony ka mitifitra be ny orana rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao sady mbola hazokely ihany koa no hampiasainy hatao  seza amin’ny afovoany, indrindra ho an’ny taksibe.  Ho an’ny sasany indray dia efa zara raha misy hipetrahana ny seza ao anatiny sady mbola maranitra mandratra ihany koa ny vy manodidina azy ka tsy vitsy ireo mitondra takaitra. Efa toy ny mahazatra ny tompon’andraikitra avokoa anefa ireny rehetra ireny amin’ny ankapobeny ka tsy misy taitra intsony.  Ho an’ny kaoperativa sasany dia mety aminy ilay fiara  rehefa mahaloa ny vola takiany aminy isan’andro. Ho an’ny mpitandro ny filaminana indray dia ireo fiara tsara kojakoja indray aza no tena sakanany sy hitsofany kirioka eny an-dalana raha tsy voasava mihitsy ireny fiara tena ratsy ireny. Ankoatra izay, tsy manaja mpandeha sy mihodina an-dalana ihany izy ireny, antony mampahazo vahana tanteraka ny gaborakaka eto amintsika. Andrasana, araka izany, ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay manoloana ireny fiarakaretsaka sy taksibe efa tena ratsy ireny ho fiarovana ny aim-bahoaka.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT