Fifamoivoizana

Taksi eto Antananarivo Mbola ezaka be ny fanaraha-maso ireo tsy ara-dalàna


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Hanatanteraka fihaonambe etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ireo fiarakaretsaka miasa sy mivelona eto Antananarivo anio alakamisy 13 desambra.

 

 

7.800 eo ho eo no voaisa ao amin’ny kaominina ary tanjona ny hijery ny vahaolana maharitra ny amin’ny asan’izy ireo. Hiompana bebe kokoa amin’ny ady amin’ireo taksi miasa tsy ara-dalàna (clandestin) izay tena mbola maro miriaria ny fivoriana. Maro amin’izy ireny mantsy no manao kolikoly ary miasa fotsiny amin’ny taratasy tsy ara-dalàna tahaka ny “déclaration de perte”, sy ny “contravention” ary misy ary fiara tsotra no manao ny asan’izy ireo araka ny tatitra nataon’ny solontenan’ ireo mpitondra taxi. Mbola olana ihany koa ny fiantsonana ka ity fivoriana ity no hijerena ny momba izany rehetra izany. Nanambara moa izy ireo fa nisy ny hetsika natao tamin’ny farany teo ka nahatrarana taksi tsy ara-dalàna miisa 50 ary mbola hanohy hatrany ny ezaka izy ireo.

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT