Fifamoivoizana

Taingimbe amin'ny moto Ho hentitra ny polisy manomboka izao


  • Alakamisy 21 Jolay 2022

Hanasazy ireo olona tratra manao taingimbe amin'ny moto na kodiaran-droa ny polisy manomboka izao. Olona efa-mianaka,

nahitana mpivady niampy zaza roa omaly teto an-drenivohitra no voatery nosakanana ka nanaovana fanentanana sy nampahafantarina ny loza mety hahazo azy. Raha araka ny fantatra dia izy mivady no nanao aroloha fa ireo ankizy tsy nisy nanao. Fanampin'izay dia kely dia kely sisa ny toerana ho an'ilay Renim-pianakaviana tany amin'ny farany aoriana indrindra. Tsy sanatria filam-banony akory ny azy ireo hoy ny polisim-pirenena fa ho fiarovana ny ain'ny mpanjifa rehetra mihitsy. Tsy mora mantsy ny aina mety hafoy sy ny vola mety ho lany any amin'ny hopitaly hoy hatrany izy ireo raha sanatria ka misy loza miseho, ka tsy maintsy raisina ny andraikitra. Ankoatra ny fianakaviana toa azy efa-mianaka ireto moa dia tsy vitsy no manao taingimbe tahaka izao ihany koa ireo tanora sasany.
Pati
Legende : Izy efa-mianaka voatery nosakanana rehefa nanao taingimbe tamin'ny moto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT