STAREX NIFATRATRA TAMIN’NY KAMIO

Teratany Amerikanina iray maty tsy tra-drano


  • Zoma 18 Oktobra 2024

Tsy mitsahatra ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra miazo an’Ivato.

Fiara Starex iray indray afak’omaly Alarobia 16 Oktobra alina no nifatratra tamina kamiao iray, raha ny vaovao azo. Raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia notarafin’ny jirobe ny mason’ilay mpamilin’ny fiara Starex ka jambena ary tsy nahita intsony ilay kamiao nijanona teo alohany. Nifatratra teo amin’ny vodin’ilay kamiao avy hatrany ity fiarakely ity ka namoy ny ainy vokatr’izany ny vehivavy iray teratany Amerikana iray, hoy ny vaovao. Potika tanteraka ihany koa ny lohan’ilay fiara Starex. Tsiahivina moa fa olona miisa 10 isan’andro no mamoy ny ainy eto amintsika vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
Pati
Legende : Tahaka izao no fitrangan’ny loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT