Fifamoivoizana

Sprinter tra-doza teny amin’ny RN4 Vehivavy 62 taona namoy ny ainy


  • Talata 23 Novambra 2021

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona indray tany amin’ny lalàm-pirenena fahaefatra na RN4 miazo an’I Mahajanga iny.

 Fiara taksibrosy ao amin'ny kaoperativa KOFIAM, avy any Ambositra hamonjy an’i Mahajanga no tra-doza teo amin’ny “croisement Boanamary” 20 km tsy hahatongavana tao amin’ity renivohitry ny Faritra Boeny ity ny alahady 21 novambra tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany. Niala lalana ka nivadibadika ilay fiaraka, araka ny fanazavan'ny mpandeha tao anatiny. Vehivavy lehibe iray 62 taona no namoy no ainy, vokatr’izany, ary potipotika ny fiara. Mbola manaraka fitsabona eny amin’ny hôpitaly CHU Androva Mahajanga kosa ireo rehetra naratra tamin'ity loza ity, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT