Fifamoivoizana

Sprinter nivadika teny Amboadiafontsy Zaza iray namoy ny ainy, maro ireo naratra


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ambodiafontsy RN1 omaly tolakandro. Fiara sprinter iray no tra-doza niala tamin’ny làlana, lasa tany an-kady, ary nivadika.

Zaza iray no namoy ny ainy teo noho eo, maro ihany koa ny naratra ,izay samy efa andalam-pitsaboana. Nanoloana ity loza ity, nidina avy hatrany teny amin’ny "Service des URGENCES/ATU – CHUJRA" ny delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan’ny Minisitra Pr Zely Randriamanantany nitondra ny teny fankaherezana ary nijery ny fandraisana an-tanana ireo olona niharam-boina. 25 no isan’ ireo olona noentina tao amin’ny "URGENCES HJRA", ny 6 efa nalefa nody, ny ambiny mbola manaraka fitsaboana, nisy zaza iray namoy ny ainy teny amin’ny toerana nisehoan’ny loza. «Vao tonga teto amin’ izao Toeram-pitsaboana izao ireo marary ireo dia tonga dia noraisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana satria ny Hôpitaly lehibe dia misy ny atao hoe « fond d’équité » izay ahafahana mijery ny olona sahirana sy ny sendran’ny hamehana toy izao, zavatra efa mipetraka foana izy io fa tsy hoe amin’ity ihany no misy an’izany ary ahafahana mamonjy ain’olona… » hoy ny Minisitra ary « iray vatsy iray aina ny Malagasy ary isaorana lehibe ny mpitsabo izay tsy mandry andro tsy mandry alina, amin’ izao Alahady hariva izao izy manao ny asany tanteraka ary maro izy ireto no ato amin’ny « Urgences », isaorana amin’ny fanatanterahany izany asany izany ary mamporisika azy hanohy izany satria tena mamonjy olona tokoa ny asany ao antin’ izany » hoy hatrany izy nanamafy. Nitondra ny teny fankaherezana ho an’ireo rehetra niharam-boina, nirary fahasalamana haingana ho an’ireo manaraka fitsaboana ary miondrika am-panajana manoloana ny namoy ny ainy ny Minisitera. Mitondra ny teny fampiononana ho an’ny mana-manjo, ary mirary fahasitranana haingana ho an’ny naratra ihany koa isika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT