Fifamoivoizana

Sprinter nitrifana Olona 4 indray maty tany Tsiroanomandidy


  • Talata 13 Martsa 2018

Taksibrosy Sprinter iray hiainga avy any Tsiroanomandidy hiakatra Antananarivo no tra-doza omaly vao maraina tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany. Mbola tsy tafavoaka ny tanàna akory fa vao niainga 800m miala ny toby fiantsonan’ny fiara,

dia nivadibadika sy nikaperoperotra.Voalazan’ireo olona teny amin’ny manodidina fa nandeha mafy ity taksibrosy Sprinter ity ka izay no nahatonga ny loza. Naratra mafy avokoa ny mpandeha, ary tsy vitan’izay fa nisy 4 namoy ny ainy. Ny mpamily kosa tsy naninona fa salama tsara. Efa hitrangana lozam-pifamoivoizana foana eo amin’io toerana io raha ny nambaran’ny mponina ary amin’ny vanim-potoana akaikin’ny fetin’ny Paska toy izao no matetika hisian’izany. Ankoatra io, dia nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa manamorina ny farihin'Anosy omaly tolakandro. Fiara tsy mataho-dalana marika “Ford” sy taksibe ao amin’ny zotra 138 no nifandona ka naharatrana olona miisa 9, ka valo no tao anatin’ilay fiara fitateram-bahoaka. Ny iray kosa no tao anatin'ilay fiara nandona, izay ny mpamily, ka samy nalefa teny amin'ny toeram-pitsaboana moa ireo niharan-doza ireo. Nihitsoka ny familiana ilay fiara tsy mataho-dàlana, ka nifatratra tany amin'ilay fiara nifanena taminy, raha ny fanazavan’ny mpamily.Na olana ara-teknika na fandehanana mafy foana no mahatonga ny ankamaroan’ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara; fotoana kosa angamba izao hanamafisana sy hanatsarana ny fanaraha-maso.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT