Fifamoivoizana

Sprinter nilatsaka tany anaty hantsana Olona 4 no indray namoy ny ainy


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tany amin’ny lalam-pirenena fahafito ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina.

 

 

 

 

 Fiara taksibrosy iray sprinter ao amin’ny koperativa Mafio niainga  avy eny amin’ny Fasan’ny Karana nihazo an’i Toliara no tra-doza, kilometatra  vitsy tsy hidirana an’i Fianarantsoa.  Nifanena tamina kamiao iray lehibe hihazo an’Antananarivo io sprinter io raha araka ny vaovao azo. Tao anatin’izay indrindra anefa no nisy fiara sprinter iray nisongona ilay kamiao sady nandeha mafy ka voatery nalatsak’ilay mpamily tany amin’ny  hady ilay fiara sprinter nentiny ka tsy nijanona raha tsy nivadibadika. Olona efatra no namoy ny ainy ka ny iray vehivavy  bevohoka.  Ho an’ity farany manokana dia mbola nentina nialana nenina tany amin’ny hopitaliben’i Fianarantsoa izy mianaka saingy tsy tana  intsony ny ainy. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ity hopitaly iray ity kosa ireo naratra sasany raha enin-dahy sy  fitovavy izy ireo no lasibatra. Telo tamin’ireo lehilahy  dia namoy ny ainy avokoa raha iray ihany no vehivavy. Raha ny fantatra hatrany moa dia anisan’ireo namoy ny ainy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity ihany koa i Hasim, ilay mpanakanto sady mpanentana malaza iray eto amintsika.

 

 

Pati

Legende :  Potika tahaka izao ilay fiara sprinter ! ( Sary nindramina)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT