Sprinter lasa tany anaty hantsana

1 namoy ny ainy, 13 maratra mafy


  • Zoma 25 Aogositra 2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly hariva tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany tany ho any tany amin’ny distrikan’i Fandriana, Faritra Amoron’i Mania.

Fiara Sprinter miloko fotsy iray mpitatitr’ olona mampitohy an’ Antananarivo sy Fianarantsoa hatrany Fandriana no tra-doza tampoka. Vokany olona iray no namoy ny ainy teo noho eo raha miisa 13 ireo naratra. Ny 6 tamin’ireto farany no fantatra fa tsy maintsy nalefa eny amin'ny hopitalibe CHRR ao Fandriana noho ny ratra mafy nahazo azy. Raha araka ny loharanom-baovao azo avy amin’ny governoran'ny Faritra Amoron'i Mania Rtoa Haingo moa dia vokatry ny tsy fitandremana no tena nahatonga ny loza. Tsy vitsy amin’ireo koperativa mantsy no manao dona miverina amin’izao manenjika ny hamaroan’ireo olona mpiala sasatra manao vakansy. Maro no mandeha mafy ireo mpamily noho izany nefa ny torimaso tsy ampy. Misy rahateo tsy manana mpamily roa fa iray ihany na dia tokony ho roa aza raha vantany vao mihoatra ny 400 km ny lalana handehanana. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny fotoana hanaraha-maso tsara intsony ilay fiara hany ka mitera-doza sy mamono olona tahaka izao hatrany. Antso avo no hatao amin’ny tompon’andraikitra manoloana ny tranga tahaka itony.
Pati
Legende : Nivarina tany an-kady tahaka izao ilay fiara sprinter miloko fotsy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT