Fifamoivoizana

SOTEMA Mahajanga Nipotsaka ny atidohan’ilay tovovavy voadonan’ny taxibe


  • Alarobia 08 Jona 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo omaly maraina tao Tanambao SOTEMA Mahajanga. Tovovavy kely iray vao 15 taona monja no maty nodomin’ny taxibe iray raha iny handeha hiampita arabe iny.

Raha araka ny vaovao azo dia tratran’ny kodiara ny lohan’ity zaza ity hany ka nipotsaka tsy fidiny ny ati-dohany. Avy hatrany dia tsy navela nivoaka tao anatin’ilay fiara nentiny moa ilay mpamily noho ny hatezeran’ny olona. Efa tena mihanaka be rahateo ny fitsaram-bahoaka eto amintsika. Nentin’ny mpitandro ny filaminana natao fanadihadiana izy taorian’izany. Ankoatra ny resaka fakana an-keriny moa dia mety sy tsara raha aterina sy alaina hatrany ny ankizy hisorohana ny trangan-javatra mampalahelo tahaka izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT