Soso-kevitry ny MFM momba fanamboaran-dàlana

Efa hatramin’ny 1990, izao vao tonga eny an-tsofin’ny fitondrana


  • Zoma 23 Febroary 2024

Efa hatramin’ny taona 1990 ny filoha mpanorina ny antoko politika MFM

na Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara, Itompokolahy Manandafy Rakotonirina, no nivoy ny filàna fanamboarana làlana mirefy 10.000km ao anatin’ny 5 taona, hoy ny fampahatsiahivan’ireo mpikatroka MFM omaly rehefa niara-nahita ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Izao vao tonga eny an-tsofin’ny fitondrana, araka izany, ny sosokevitra novoizin’ny antoko tamin’izany fotoana, hoy ireo mpikatroka. Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra nivoaka ny alarobia 21 febroary teo moa dia hovitaina ato anatin'ny 5 taona izay lalana mirefy 10.000km izay. Ny mpanjaka sady tale misahana ny fampiasam-bola ao Abhu Dhabi, Ny Sheikh Hamen Bin Zayed Al Nahyan, moa no voalaza fa nangatahina ny fanampian’ny governemanta emirati, amin’ny alalan’ny fisitrahana ny vatsim-piandrianana na «Fonds souverain des Emirats Arabes Unis et ses retombées» hamatsy vola izany ambara ho tetikasam-pampandrosoana izany, raha ny voalaza hatrany. Novoizina anefa ny taona 2009 fa tsy azo hohanina ny lalana, raha toa ka teny filamatry ny fitondrana nahongan’izao fitondrana ankehitriny izao tamin’izany ny hoe «Tohizo ny lalantsika!».
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT