Fifamoivoizana

Solika hosoka mamoa-doza Nankaiza ireo mpiaro ny zon’ny mpanifa e ?


  • Talata 20 Septambra 2022

Moana be ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ity solika mitapoka ity, izay fanapoizinana ny vahoaka miharihary.

Tsy vao izao fa hatry ny ela no nisy ny fitarainana sy ny fanamarihana fa misy solika toa vetivety kely dia lany, tao ny fanamarihana fa mitapoka hany ka potika tanteraka ny maoteran’ny fiara,… Tsy nisy re na kely aza ireo mpisora-tena ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Asa na tena mpiaro ny zon’ny mpanjifa tokoa na mpanao tohatra fiakarana sy fitadiavam-bola ny mpanjifa kanefa ny zon’ny Fanjakana no tena arovana? Io fa sarona ny tambajotra mpanapoka solika, izay misy olona ambony voatonontonona. Mbola ombay mitady ihany ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa, kanefa raha ny lojika amin’izao dia mitory izy ireo. Ahiana ho tsy ny resaka solika miditra any amin’ny fiaran’ny olom-pirenena ihany rahateo no nidiran-doza sy mety ho mbola hidiran-doza, fa ny solika makany amin’ny Jirama, mety ho antony mahatonga io delestazy lava io, miantraika amin’ny famokarana sy ny fiainam-bahoaka io. Taorian’ny solika 64000L nanjavona tsy nisy tohiny, ahiana ho tetika hanafenana ny hadiry nangalarina ny fanoloana azy ho akora mampidi-doza. Miharihary ihany koa ankehitriny, fa tsy voafehin’ny Minisitra tompon’andraikitra sy ny Fanjakana intsony ihany koa ny sehatry ny solika sy ny angovo satria taorian’ny fifanenjanana mpitondra tamin’ireo kaompania, nisesy ny karazana olana. Teo ny tsy fahampiana goavana naharitra, izay efa mba nilamindamina, dia io indray ny solika mitapoka. Efa nisy ny feo nandeha amin’ny mety ho fiketrehana kaompanian-tsolika fahadimy, ka karazana don-tandroka no niseho sy anton’ny olana. Ahiana ho mety mbola tafiditra ao anatin’ny drafitra hoenti-miady ihany koa anefa ireny hoenti-mifamotika hanaratsiana ny kaompania mety tiana hopotehina ahafahana misosoka, saingy io nidofotra io ny raharaha.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT