Sokajina fitaterana “service plus”

Nisafidy tsy ampiakatra saran-dalana na ratsy aza ny lalana


  • Zoma 05 Janoary 2024

Iaraha-mahita ankehitriny ny haratsian’ny lalana eto Madagasikara, hoy ny

tomponandraikitry ny fitaterana amin’ny tobim-piantsonam-piara fitaterana iray etsy Ankadimbahoaka, Eddy Ramaroson. Adin’ny 3 no vita i Antsirabe, hoy izy, taloha fa izao tsy vita raha tsy adin’ny 5 sasany. Adin’ny 4 sasany raha mandeha mafy. Soa fa tsapan’ny mpandeha fa tsy fanahiniana ny fahataran’ilay diany. Sarotiny izahay amin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo fiara fa efa mijery an’izay koa anefa ny mpitandro filaminana. Rehefa betsaka tahaka ny hita amin’ny vanin’andro fety toy izao ny olona dia ohatran’ny hoe faly ny mpitatitra fa na eo aza nefa izany dia tsy mampiakatra saran-dalana izahay ary voafetra ho 16 ihany ny isan’ny olona anaty fiara. Antananarivo-Ambatolampy, 8000 Ariary. Antananarivo-Ambohimandroso, 9000 Ariary ary Antananarivo-Antsirabe, 20.000 Ariary. Izay no sokajiana anatin’ny antsoina hoe fitaterana “service plus”. Hajaina ny kalitao. Tsy mampiakatra saran-dalana na avy orana sy ratsy aza ny lalana ary na inona na inona toe-java-misy, raha mbola azo atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT