Fifamoivoizana

Soavinandriana-Mananasy Potika sahady ny lalana vita tamin’ny volana mey 2022


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Potika tsy hifankahitana sahady ny lalana vao avy namboarina nanomboka ny volana mey 2022 lasa teo, làlana 12KM Mampitohy an'i Soavinandriana Itasy sy ny Kaominina Ambanivohitr’i Mananasy.

Famatsiam-bola tamin'ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Projet CASEF (projet de Croissance Agricole et de Sécurisation Foncière) no nanamboarana azy io, mba hanatsarana ny tontolo ambanivohitra sy ahafahana mamoaka ny vokatra eny ambanivohitra. Tetikasan’ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary jono noho izany izy io, faritra 5 no nisitraka an’izany dia Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Atsinanana ary Ananjirofo. Ho an’ny Faritra Itasy, ny làlana Miarinarivo-Ambatomanjaka, Soavinandriana -Mananasy ary Andakana-Ambatoasana-Tamponala no tafiditra tao anatin’ny tetikasa CASEF, saingy iaraha-mahita io ny manjo ity ampahany Soavinandriana-Mananasy ity. Voalaza fa nopasohana fotsiny fa tsy nasiana lakandrano, kanefa tanimbary ny teo amin’ny andaniny roa, izay mitovy haavo amin’ny arabe, antony nahapotika azy vetivety raha vao avy ny orana. Ahoana izany ny fanarenana itony tetikasa nandaniana volabe itony? ? Izao ve no asa manara-penitra ?An’iza ny fahadisoana ary ahoana ny fanarenana sa vitavita ho azy ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT