Fifamoivoizana

Soanierana Mbola tondra-drano ihany


  • Zoma 15 Novambra 2019

Rotsak’orana nandritra ny ora iray latsaka dia efa niverina amin’ny laoniny indray ny tondra-drano eny Soanierana omaly hariva. Samy nahatsikaritra ireo rehetra nampiasa iny lalana iny

 

 

 

(Andrefan’Ambohijanahary – Soanierana) fa dia niakatra  ny rano ary nahadifotra kodiarana ho an’ireo fiara kely. Efa nandritra ny  enim-bolana anefa no nanamboarana ny lakan-drano amin’ny sisin’ny arabe tamin’iny faritra iny. Miainga eny amin’ny toerana fitahirizan-tsolika manakaiky ny chocolaterie Robert ka hatreny amin’ny Rond Point Soanierana. Niaraka tamin’ny fanamboarana ny arabe izany. Somary nafonja kokoa ny orana omaly ary dia mazava izany izao fa tsy mbola ampy hitroka sy handefa ny rano amin’iny faritra iny izy io.maro no efa nanainga zipo sy namoritra pataloha omaly teny an-toerana noho ity rano be ity.Hita kosa anefa fa haingana kokoa ny faharitran’ny rano niangona.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT