Fifamoivoizana

Soanierana Maty tsy tra-drano ilay mpitondra scooter


  • Zoma 10 Jolay 2020

Niala lavaka teny am-pandehanana, nitrosona dia lasa tao ambany kamiaon’ny Jirama niray zotra taminy.

 

 

 Tsy azo nidovirana ny loza. Maty tsy tra-drano ilay mpitondra scooter. Teo Soanierana, amin’ny lalam-pirenena faha-7 manaraka ny Boulevard Ratsimandrava no nitranga ny loza, omaly maraina. Tonga teny an-toerana ny Polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana nanamarina ny loza taloha ny nitondra ny razana namonjy ny tranompaty. Raha araka ny fantatra dia « livreur » ity tra-doza teny Soanierana ity.Nisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana amin’ny moto teto an-drenivohitra, manararaotra ny lalana tsara vao nasiam-panamboarana tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina sy ny fitantanan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Vokatry ny fandehanana mafy no fototry ny ankamaroan’ny loza, eo koa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ; manararaotra ihany koa ireo mpitondra moto amin’izao fahavitsian’ny fiara mandeha amin’ny arabe anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana ampiharana ny fepetra fihibohana tsy hianahan’ny covid-19 izao.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT