SOAMAHAMANINA RN1

Sprinter nifandona tamin'ny


  • Alatsinainy 16 Febroary 2026

camion citerne », 4 namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny farany herinandro teo teo Ambatomitsangana alohan'ny hidirana an'i Soamahamanina, lalam-pirenena voalohany. Fiara marika Sprinter izay taxi brousse mpitatitra olona avy any Andrefana hiazo an'Antananarivo no nifandona tamin'ny camion citerne iray. Nifanatrika izy ireo ka potika tanteraka ilay fiara Sprinter. Miisa 8 ireo naratra mafy ary efa nalefa notsaboina ao amin'ny hopitaliben'i Miarinarivo raha miisa 4 ireo namoy ny ainy izay lehilahy ny iray raha lehilahy ireo 3 ambiny. Misy amin'ireto farany mihitsy moa no tapa-doha hoy ny vaovao azo noho ny hamafin'ny fifandonana. Tsiahivina fa mahatratra 10 isan'andro ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifampivoizana eto amintsika. Vokatry ny olana ara-teknika mety mahazo ny fiara ka mitarika ny loza ny 80% raha avy amin'ny mpamily ny 20%. Lohalaharana amin'ireny ny fandehanana mafy arahin'ny fisotroana sy fandraisana zava-mahadomelona. Eo koa ny tsy fahampian'ny torimaso.
Pati
Légende : Tahaka izao sisa no nihafaran'ilay fiara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT