Fifamoivoizana

Sisin-dalan’ny lalam-pirenena Nandraisana fepetra ireo mbola manaha vary


  • Zoma 03 Febroary 2023

Ho fampiharana ny hitsivolana faha 60-166 tamin’ny 3 oktobra 1960 mahakasika ny fanajana ny fetran’ny sisin-dalana amin’ny lalam-pirenena izay entina hiarovana ireo fotodrafitrasa ary hisorohana ny lozam-pifamoivoizana dia

 nanatanteraka fidinana ifotony teny amin’ny lalam-baovao mampitohy ny Art Malagasy sy Andranotapahana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny asa vaventy niaraka tamin’ireo solontena avy amin'ireo kaominina voakasik'izany, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nanentana sy nampahafantatra ireo olona monina manodidina ny lalana izy ireo fa tsy azo atao ny manasa fiara eny amin'ireo fetran’ny sisin-dalan'ny lalam-pirenena. Tsy azo atao koa ny manaha vary eny ambony sy amin’ny sisin'ireo lalam-pirenena. Fijanonan'ireo fiara vaventy tsy ara-dalàna amin’ny sisin-dalana. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina ho an'ireo izay tsy nanara-dalàna ka nasaina nanala ireo vary niely teny ambonin'ny lalana sy ireo fiara izay nosasana sy nijanona teny amin’ny sisin-dalana. Napetraka teo anivon’ireo kaominina ny taratasy fampiharana io hitsivolana faha 60-166 tamin’ny 3 oktobra 1960 io ho entin-drizareo manohy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo vahoaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT