Sinoa mamo nahafaty olona 4 teny By Pass

Mifanipaka ny rariny sy lalàna,


  • Alatsinainy 08 Septambra 2025

nolazaina fa sazy ambony indrindra ny 2 taona

Niteraka resabe sy fanehoan-kevitra samihafa ny raharaha nahafaty olona miisa 4 tao aatin’ilay lozam-pifamoivoizana teny amin’ny By Pass ny faran’ny aogositra hifoha ny 01 mey 2025 lasa teo. Fiara nentina teratany sinoa no nandona ny fiara iray ka nahafaty ireo olon-droa mpivady sy ny zanany vavikely iray, ary olona iray hafa. Sazy mihatra ny roa taona, miaraka amin’ny lamandy iray tapitrisa Ariary no didy navoakan’ny Fitsarana ny faran’ny herinandro teo. Noho ny resabe sy adihevitra samihafa, ny fahafaham-po tamin’io didy io, nipoitra ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Rtoa Narindra Rakotoniaina, ka nanazava fa ny sazy ambony indrindra araka ny lalàna no nampiharina amin’ity tranga ity. Nambara fa mifanaraka amin’ny andininy faha-319 ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana izany, izay manasazy ny famonoana olona tsy nahy vokatry ny fahadisoana, tsy fahaiza-manao, tsy fitandremana, tsy fahamailona, na fanitsakitsahana fitsipika. Io andininy io dia mamaritra sazy fahafahana voafetra 3 volana ka hatramin’ny 2 taona, sy lamandy manomboka amin’ny 200.000 ka hatramin’ny 6.000.000 Ariary. Izany no nahatonga ny fampiharana ny sazy ambony indrindra, raha ny fanazavan’io Mpitsara ambony io. « 1 tapitrisa Ar no aloan’ilay voapanga amin’ny Fanjakana, ankoatra ilay sazy 2 taona sazy mihatra. Ireo 2 lahy zanaky ny maty izao dia mahazo 40 tapitrisa Ar, ho an’ny reniny dia 6 tapitrisa Ar, ho an’ny iray tampo dia 6 sy 8 tapitrisa Ar, ho an’ny Ray niteraka dia 6 tapitrisa Ar, ary ho an’ilay rangahy maty kosa dia nahazo 25 tapitrisa Ar ny vadiny, ary ny iray tampo aminy dia nahazo 6 tapitrisa », hoy io Mpitsara ambony io. “Afaka manao fampakarana fitsarana ny ankolafy tsirairay raha tsy afa-po amin’ny didy navoaka,” hoy ny fehin-tenin’ny Mpampanoa lalàna.
TSY AFA-PO NY FIANANKAVIANA
Tsara ny mampahatsiahy, fa voalaza ho mamo ilay sinoa, mbola nandositra fa voasambotry ny fokonolona,…Andaniny, nanamafy fa tsy afa-po ny zanak’ireo mpivady namoy ny ainy. « Mahatsapa izahay, fa sahala amin’ny tsinontsonona, natao tsinontsinona ny ain’ireo Ray aman-dReninay sy zandrinay, na omby aza ve no maty dia ohatran’izay ny sazy mahazo azy. Ny onitra dia nalefa nakany amin’ny tompon’ny fiara sy ny tompon’ny fiantohana. Onitra 40 tapitrisa Ar ho anay 2 lahy, ny antsasak’izay no azo atao fanao an-tratra, hoy ny fitsarana, ary mbola tsy hay na ho azo na tsia fa hiadiavana any amin’ny « Assurance ». Ny an’ilay sinoa makany amin’ny Fanjakana ny lamandy, ka inona no fandraisany andraikitra ? Olona 4 no maty rariny ve ny sazy 24 volana ? », hoy i Jayson Rajaonarison. Ny didim-pitsarana nihemotra hatrany, ka manahy kolikoly izy ireo. Nanamafy fa niova tateraka ny fiainan’izy ireo, tsy misy horaisina intsony,… Tsy nanao adidy ilay sinoa hatramin’ny nahafaty ireo Raiamandreny. « Marary ny aiko amin’ny ain-janako, ary raha izay 40 tapitrisa Ar tsy mahavita ny fiainan’ireo kamboty, raha teo ny Ray aman-dReniny izay samy niasa sy afaka namelona azy », hoy kosa ny reniben’izy roalahy kamboty. Mifanipaka ny ara-drariny sy ny araka ny lalàna. Tena ny lalàna no mila ovaina sa ny famaritana ilay tsy nahy na « involontaire » no mampisalasala eto ? Ry Berija Ravelomanantsoa, Rolly Mercia,… aza tsy nisy faty olona nigadra 44 volana…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT