Fifamoivoizana

Simba avokoa ny lalam-pirenena Nanomboka ny fitokonan’ ireo kamionera


  • Alatsinainy 16 Janoary 2023

Tsy vitan’ireo kamionera intsony ny haratsian’ny lalam-pirenena eto amintsika. Efa nisy hatrany mantsy ny antso avo nataon’izy ireo tamin’ny Fitondram-panjakana saingy toy ny antso an’efitra hatrany izany.

Mahatsiaro ho leo tanteraka araka izany izy ireo ka naneho ny firaisankinany ary nitokona tany amin’ny lalam-pirenena faharoa mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina omaly alahady 15 janoary. Takian’izy ireo araka izany ny hanamboarana ireo lalam-pirenena toy ny RN2, RN4, RN6, RN13, RN7 ary ny RN 34. Miantso ny firaisankin'ny mpampiasa lalana rehetra izahay kamionera, hoy Rakotoarisoa Joelson Gabriel, filohan'ny sendikan'ny mpamily matihanina eto Madagasikara (SCPM) raha nampita vaovao tamin’ny mpanao gazety omaly. Tsiahivina moa fa saika hanomboka amin’ity herinandro ity avokoa ny asa fanamboarana ireo lalam-pirenena rehetra eto amintsika. Ny lalam-pirenena faharoa no tsy maintsy haverina ny tolo-bidy mifandraika amin’izany ary heverina fa any amin’ny tapaky ny volana febroary ihany no mety hanombohan’ny asa.
Nangonin’i Pati
Legende : Tena mijaly amin’ny haratsian’ny lalam-pirenena ireo fiara mpitatitra lehibe
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT