Fifamoivoizana

Sidin’ny Madagascar Airlines Niverin-dàlana noho ny fikatonan’ny lanitr’I Niger


  • Talata 08 Aogositra 2023

Miteraka fikorontanana amin’ny fifamoivoizana an’habakabaka sasany eto Afrika ny fikatonan’ny lanitr’I Niger.

Tsy maintsy niverin-dalana teny Ivato ny sidina MD050 an’ny Madagascar Airlines ny alahady tamin’ny 10 ora alina, rehefa tsy afaka nandalo an'i Niger noho ny fikatonan'ny habakabaka vokatry ny fanonganam-panjakana misy any an-toerana. Tokony higadona tany Paris omaly tamin’ny 8:05, saingy nihemotra omaly alina indray. Ny sidina hafa tahaka ny Air France kosa nisafidy ny handalo an’I Egypte sy/na Ethiopie nanomboka ny 05 aogositra teo. Nanapa-kevitra ny hanidy ny lanitra sy ny sisin-taniny ity firenena ity eo anatrehan’ny fanahiany ny fanafihana hataon’ny CEDEAO, ary efa miomana amin’izany ny fitondrana miaramila ao an-toerana, izay nanongana ny Filoha Mohamed Bazoum. Misy ireo firenena manodidina azy no manohana, ary eo ihany koa ny manapaka ny fifandraisana, ka isan’ny efa miantrana ny tafika Malianina, nanapaka fifandraisana I Bénin,… Mikasika ny fiantraikany amin’ny zotram-piaramanidina avy eto Madagasikara, misy ihany ny mpandinika nitondra fanamarihana hoe: “Mahagaga ihany ! Rehefa mandrafitra ny “plan de vol” dia misy hatrany ny “plan B” ataon'ny “commandant de bord”. Mifampizara vaovao ihany koa ireo kaompania an'habakabaka amin’ny fanaovana “mise à jour ny Data Base”. Efa fantatra fa misy korontana any amin’ny habakabaka kasaina handalovana. Manampy izany ny DGAC izay soloin'ny ASCONA sy ACM toerana dia mampita ny vaovao farany, fa saingy aloa vola io farany io. Raha io zava-nisy hoe miverina ny fiaramanidina io dia sady tsy manara-baovao no tsy manana “données à jour” ny kaompania Madagascar Airlines. Izany ve tsy karazany andrakandrana ihany, izany hoe tsy fahamatorana ?”, hoy ny fanamarihana.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT