Sidin’ny Air France hiazo

an’Antananarivo Voatery niverin-dàlana noho ny « missile » tao Soudan


  • Alatsinainy 04 Novambra 2024

Voatery niverin-dàlana omaly ny sidin’ny Air France AF 934 niala tao amin’ny seranam-piaramanidina Charles De Gaules (CDG)

hiazo an’Antananarivo (TNR) tokony higadona omaly alahady 3 novambra tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo. Anton’izany ny fisian’ny balafomanga na « missile » nisindina rehefa nandalo tamin’ny lanitr’i Soudan. « Marina ny vaovao momba ny resaka sidin’ny Air France io satria izao dia tao anatin’io sidina io. Nisy fiaramanidina teo alohanay no nandalovan’ny « Missile » fa tsy voatifitra. Izay ny antony nahatonga ny fiverenana aty Afrance. Teo amin’ny habakabak’i Soudan no nisy an’io fiaramanidina nandalovan’ny « Missile » io », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko tao amin’ny tambajotran-tseraserany. Tsetsatsetsa tsy aritra no hampahatsiahivana fa io sidin’ny Air France AF 934 io ilay nitondra ny mpandeha nampiditra ny valaretina coronavirus voalohany teto Madagasikara ny aprily 2020.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT