Fifamoivoizana

Sidina mivantana Nosy Be sy Dubaï Tsara ho an’ny fizahantany, fa hanamora ny trafikam-bolamena ? teo.


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Ho avy eto afaka herinandro ny tompon’andraikitry nyy kaompania Emirates mba hijery ny fomba hoenti-manatanteraka io fampifandraisana mivantana an’I Dubaï sy Nosy be io.

Ho lasa 5 hatramin’ny 6 ora ny fotoana lany amin’izany, raha voatery mandalo firenen-kafa sy mifindra sidina mihitsy teo aloha. Nambaran’ny Filoha ankehitriny moa, fa tanjona amin’io ny hametraka an’I Nosy Be ho fitaratry nyy fizahantany eto Madagasikara. Hatramin’ny fisokafan’ny sisin-tany, sidina maro no miazo an’I Nosy be, mahatratra 13 isan-kerinandro, ary mitondra mpizahatany 1500 isan-kerinandro eo, raha ny nambaran’ny Filoha hatrany. Zava-dehibe, tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany, fa misy ihany koa ny tsilian-tsofina any ambadika any fa ketrehina ho ivon’ny fanaovana afera, tahaka ny any Dubaï. Any an-toerana izay matetika hisehoana afera hafahafa, toy ny fahatafatsoahan’ireo olona nohenjehin’ny Fanjakana, izay voalaza fa tao ny làlana nivoahany tahaka ny Tale jeneralina orinasam-panjakana iray teo aloha, Praiminisitra teo aloha,… Ny trafikana volamena, dia betsaka ihany koa no miainga avy ao Nosy Be toy ilay tamin’ny 05 desambra 2020 nahatrarana karana miisa 6 lahy; ny depiote irayy voalaza fa azo sary niarakja tamin’nyyy bolongam-bolamena tao amin’ny “salón VIP” tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be; ny volana jolay teo nisiana fahasamborana vehivavy 4 ka vadina loholona sy vadina ny depiote ny roa,… Eo ny ketrika ara-pizahantany izay tena ilaina, fa ahiana ho miaro fanamorana ny bizina sy afera maloto ihany koa satria betsaka ny mpiketrika trafika makany Dubaï, izay matetika handrenesana anarana olona ambony, raha tarafina amin’ireo efa tratra hatrizay.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT