Fifamoivoizana

Sidina miditra any Nosy-Be Mifamolaka ny Fanjakana sy ny Ethiopian Airlines


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Naneho ny tsy fananana olana amin’ny fiantsorohan’ny kaompania hafa ny sidina mifandray amin’i Madagasikara ny fanjakana Malagasy.

Setriny tamin’ny fanambaran’ny Kaompania Ethiopian Airlines nilaza ny hampitsahatra sy hanafoana ny sidina tokony hataony mankany Nosy-Be mandra-panokafan’ny governemanta Malagasy tanteraka ny sisin-tany io. Nanapa-kevitra ny hamela io kaompania io haka ireo mpiasa mipetraka eto Madagasikara farafaharatsiny ireo tompon’andraikitra ny ivon-toerana ara-pizahantany ny Minisiteran’ny fizahantany sy ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny. Azon’ny Ethiopian Airlines atao ny manofa sidina mihazo an’i Nosy Be. Maniry kosa ny manam-pahefana mba ho mpizahatany ihany no hoentina mihazo an”i Nosy Be manomboka rahampitso 01 oktobra, ary mila manana tapakila mandroso sy miverina. Lasa sakana ho amin’ny fahafahana mitondra ireo olona nihitsoka nandritra ny 20 martsa mba hody hitsidika ny fianankaviany io ho an’ny kaompania. Tsy maintsy mangataka fahazoan-dàlana amin’ny ACM sy amin’ny Minisiteran’ny Fitaterana. Nitazona ireo fepetra, toy ny fitiliana manamarina fa tsy voan’ny covid-19 tao anatin’ny 72 ora ny Minisitera. Sokajian’ny Ethiopian Airlines ho tsy ara-drariny sy tsy manome antoka ny fampandehanana ny programany io, ary mbola tsy tomombana ny lafiny fampidiram-bola amin'io ho an’ny kaompania. Amin’ireo kaompania 4 afaka miasa any Nosy Be, dia ny Ethiopian Airlines hatreto no hany tokana naneho ny hiverenan’ny sidina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT