Fifamoivoizana

Sidina mampiahiahy Niverina ilay fiaramanidina saika ho atsy Kaomoro


  • Alatsinainy 31 Janoary 2022

Fiaramanidina iray an’ny kaompaniana mpandraharaha matanjaka iray eto amin’ny firenena no nigadona tao Mahajanga omaly tolakandro tamin’ny 1ora sy 22 minitra.

 Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa saika hameno ireo pitsopitsony na « formalité » rehetra mialohan’ny hiaingany ho any Moroni Kaomoro. Nampametra-panontaniana hoe nahoana no hoe : any Mahajanga kanefa mbola tsy nofoanana ny naonty navoakan’ny Fanjakana mametra fa ao Ivato avokoa no atao ny « formalité de sortie ». Nisy kosa ny vaovao ara-panjakana azo, fa fiaramanidina mitondra mpiasan’ny Banky Iraisam-pirenena manao iraka. Voafaritra fa hihazo an’i Moroni tokoa, ary naka solika ihany no natao Mahajanga, fa efa vita teny Ivato ny pitsopitsony. Tsara moa no mampatsiahy fa ambony be ny ahiahy momba ny mety nisian’ny trafikana volamena miainga avy ao Mahajanga miazo an’i Moroni, indrindra taorian’ny nahatrarana ireo 3 lahy izay Malagasy ny 2 tratra tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Moroni ny 28 desambra 2022. Olona 7 no tao anatin’ny fiaramanidina, ka ny mpanamory 2, mpandeha ny 5 izay mpiasan’ny Banky Iraisam-pirenena eto, ary nampafantarina PAF (Police Aérienne de Frontière), fa tsy misy olona mpandeha na entana ampidinina na akarina ao, hoy ny loharanom-baovao sokajiana ho ara-panjakana. Voalazan’ny loharano iray hafa anefa, fa afaka mandeha mivantana miainga ao Ivato-Moroni io fiaramanidina io. Ka inona no antony tsy maintsy nandalovana tany Mahajanga ? Niainga tao Mahajanga tamin’ny 3ora sy 40 minitra tolakandro ilay fiaramanidina, ary niverin-dàlana 5 minitra taorian’izay noho ny mety ho olana ara-teknika. Natory tao Mahajanga alina, ary voalaza raha ny loharanom-baovao vonjimaika, fa hiverina aty Antananarivo indray. Misy zavatra toa mampiahiahy sy mifamahofaho be ihany ao anatin’ny raharaha ka ho hita eo izay mety ho fivoarany.
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT