SIDINA IRAISAM-PIRENENA

Tonga ny Emirates, ary mba ahoana ny Madagascar Airlines ?


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Ofisialy nanomboka omaly ny sidina Antananarivo - Dubai amin'ny alalan'ny kaomoania Emirates .

Nigadona teo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato tamin'ny 3 ora sy 25 minitra tolakandro ny sidina voalohany Boeing 777 Emirates, hampifandray an'i Madagasikara amin'ny Dubaï, mandalo ao amin'ny Nosy Seychelles. Teny an- toerana ny Filohampirenena Andry Rajoelina mivady, ny praiministra Ntsay Christian sy ny mpikambana maro eo anivon'ny governemta. Hampitohy in-telo isan-kerinandro an' Antananarivo sy Dubaï, mandalo ao amin'ny Nosy Seychelles izy ity.Araka ny fomba amin'ny fitaterana anabakabaka dia noraisina tamin'ny alalan'ny water salute, na fanondrahana rano ho mariky ny fiarahabana azy tongasoa eto Madagasikara ity sidina voalohan'Emirates ity. MAHAZO AVARA-PATANA Kaompaniam-pitaterana anabakabaka tafiditra ao anatin'ireo 5 voalohany faran'ny matanjaka maneran-tany ny Emirates, manana ny maha izy azy, manana traikefa ambony be, manam-bola, manana ireo fiaramanidina tena raitra sy maoderina indrindra eto ambonin'ny tany. Tena marina fa hitondra rivo-baovao ho an'ny fitaterana anabakabaka eto Madagasikara ny fitsofohan'ny Emirates eto, saingy toa manambara ihany koa fa ho vizana kokoa hatrany ny kaomoania nasionaly Madagascar Airlines, izay tena tsy afaka hifaninana amin'ny Arabo mihitsy aloha raha mbola atao tahaka ny mahazatra ny fomba fitantanana sy ny fomba fiasa. Asa raha mba efa masaka ny nahandro ho an'ity kaom-pitaterana nasionaly ity na dia hionona amin'ny sidina anatiny vitsivitsy fa ny kaomoania vahiny no hanao ampihimamba ny sidina ivelany. Tsapa tamin'ny zava-nitranga omaly teny Ivato ihany koa fa tena mahazo avara-patana amin'ny mpitondra fanjakana malagasy ny Emirates, ary mazava izao fa noho izy no nanaovana hazakazaka arahin-tosika ny fanatsarana ny fomba fiasa teny Ivato sy nanamafisana ilay hoe ady amin'ny kokikoly. Farany dia tsara ho marihina fa any Dubai no tenabiondranan'ny volamena avy eto Madagasikara .
RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT