Fifamoivoizana

Sidina ifandraisana amin i La Reunion Manodidina ny 1 5 hatramin ny 1 8 tapitrisa Ar


  • Talata 12 Aprily 2022

Hiverina manomboka ny 20 aprily izao ny sidina an’habakabaka mampifandray an’Antananarivo sy La Réunion. Sidina roa isan-kerinandro mandroso sy miverina no heverin’ny Air Madagascar hatao ka alarobia sy alakamisy io,

ary amin’ny alalan’ny fiaramanidina ATR an’ny Tsaradia. Ho an’ny sidina mivoaka 367 euros na 1 587 000 Ar eo ny sarany miainga eto Antananarivo mankany La Réunion, raha toa ka 409 euros na 1 750 000 Ar kosa ny avy any miditra eto Madagasikara. Azo sokajiana ho lafo io. Nanambara kosa anefa ny kaompania, fa mety hisy fiovana ny saran-dàlana, izay miankina amin’ny seza sy ny fiovaovan’ny sandam-bola Malagasy dia ny Ariary. Efa naneho moa ny Minisitry ny fitaterana fa tsy azo hihodivirana ny fanokafana ny sisin-tanin’i Madagasikara. Isan’ny vahaolana amin’ny fidangan’ny sarany ny fahamaroan’ny tolotra. Kaompania manodidina ny 7 no efa miverina tsikelikely. Ho an’ny aty amin’ny ranomasina Indianina, efa niverina nanomboka ny nanomboka ny 7 Aprily 2022 ny sidina mampitohy an’i Maorisy sy Madagasikara miaraka amin’ny kaompania Air Mauritius. Fantaniana ilàm-baniny mikasika ny fitaterana anabakabaka sy ny kaompania Malagasy kosa ny hoe: mba aiza ho aiza ny fahavitan’ireo fiaramanidina Airbus miisa an’ny Air Madagascar izay nambaran’ny Minisitry ny fitaterana teo aloha Tinoka Roberto ny fiadohan’ny novambra 2021 fa nahazoana vola 5 tapitrisa dolara avy amin’ny Fanjakana hanamboarana azy ka ho vita sy afaka hiasa afaka 4 volana? Efa dila ny efatra volana ka aiza izay eo sa tsy nanjavona niaraka tamin’ilay minisitra nafindra toerana ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT