Sidina anatiny sy iraisam-pirenena

Potika tsara ny Air Mad ! Hiantso ny Air Mauritius, Airlink,…


  • Talata 25 Jona 2024

Mitodika any amin’ny mety hampiasana ireo kaompaniam-pitaterana an'habakabaka hafa,

toa an'i Air Mauritius sy Airlink, mba hanatanterahana ny sidina iraisam-pirenena sy isam-paritra ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Metiorolojia tarihin’ny Minisitra Valéry Ramonjavelo, izay nivory niaraka tamin’ireo mpisehatra nahitana ny ny mpitantana ambony avy amin’ny Fiadidiana ny Fifamoivoizana an'habakabaka eto Madagasikara (ACM), ny Madagascar Airlines. Mikendry ny hamaly ny fitakiana mitombo ataon'ireo mpizahatany amin'izao fiandohan'ny vanim-potoana izao, taorian'ny fampiatoana vonjimaika ny sidina mankany Toliara sy Fort-Dauphin nataon'ny Air Austral tamin'ny volana aprily lasa teo. Ny dingana voalohany dia nahazo vokatra tsara, ny dingana manaraka kosa dia ny hanehoan'ny kaompaniam-pitaterana an'habakabaka ny fahavononany tamin’ny ACM mba hanatanterahana ity hetsika ity, hoy ny tatitra. Tsy azo tsinontsinoavina fa ny fampiatoana ny tolotry ny fiaramanidina dia nitarika fihenana ho an’ny tahan’ny olona raisin’ireo toeram-pandraisam-bahiny any Toliara sy Fort-Dauphin, izay isan'ireo toerana ara-pizahantany malaza indrindra ao amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, hoy hatrany ny tatitra. Isan’ny lohahevitra navoitra tao anatin’ny ITM (International Tourism Fair 2024) ny faran’ny herinandro teo moa ny momba ireo sehatra lehibe fanalahidin’ny hanatsarana ny fifandraisana an’habakabaka, izay heverina fa zava-ehibe haharongavana amin’ny fisarihana sy ny fandraisana mpizahatany iray tapitrisa hatramin'ny taona 2025, tanjona lehibe napetraky ny Fanjakana. Mba hahatratrarana izany, dia manana anjara toerana lehibe ny fitaterana an'habakabaka amin'ny fampandrosoana ny fizahantany. Io iaraha-mahita io anefa, fa mitsipozipozy ny sidina an’habakabaka Malagasy taorian’ny famonoan’ny Fanjakana Rajoelina tanteraka ny Air Madagascar. Tsy nitsahatra niha banky ropitra ihany koa ny Madagascar Airlines izay nasolo azy, ary zara raha manana fiaramanidina iray ho an’ny zotra anatiny sisa, ary any amin’ny 2026 no nambara fa mety hiverenan’ny sidina iraisam-pirenena. Izao lasa miantso kaompania vahiny hanao ny tsenan’ny fifamoivoizana an’habakabaka eto, miantso kaompania vahiny toy ny Émirats hiara-hanarina ny nopotehina,… Rehefa tsy manana ny antsika madiodio izay tena izay afaka mipetraka ho mpamaritra ny sarany araka izay maha mety antsika ary arahin’ireo vahiny, dia ny vahiny no manao izay tiany sy izay danin’ny kibony amin’izay tombotsoa tadiaviny.
Toky R
Légende : Mirantiranty ery ny an’olona ny fiaramanidina ary mby aiza ny antsika ?
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT