Fifamoivoizana

Shell by pass – Ankadimbahoaka Ho tapaka mandritra ny 9 andro ny lalana


  • Zoma 17 Martsa 2023

Hafotaka indray ny fitohanana miazo iny faritra Soanierana sy Tanjombato iny manomboka anio zoma 17 martsa maraina.

Raha araka ny fantatra mantsy dia ho tapaka manomboka anio ny lalana eo amin’ny Shell By Pass mampitohy an’Ankadimbahoaka sy ny By pass noho ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao. Haharitra 9 andro izany ka amin’ny Alahady 26 Martsa ho avy izao vao hifarana tanteraka. Voatery miodina miazo an’i Tanjombato avokoa ireo fiara hamonjy ny lalam-pirenena fahafito noho izany sy ireo avy any amin’ny By pass sy Iavoloha mikasa hivoaka an’Ankadimbahoaka. Tsy misy hafa amin’izay koa ny tranga niainan’ireo mpampiasa lalana eny Ambodin’Isotry sy ny manodidina nanomboka omaly. Namboarina nanomboka omaly ihany koa mantsy ny lalana eny an-toerana ka voatery niodina teny Ampasika avokoa ireo taxibe toy ny 147… tokony hivoaka an’Antohomadinika. Toa tsy misy resaka kosa anefa ny lalana goakabe eny Ankasina 67 ha izay efa mahatelina fiara madinika iray mihitsy amin’ny ankapobeny raha tsy mitandrina. Mila miomana sy manamboatra ny ora hiainga ao an-tokantrano avokoa araka izany ny rehetra anio hisorohana ny rarintsaina mety aterak’izay fitohanana izay.
Nangonin’i Pati
Legende : Hoamboarina ny lalana ety amin’ny By pass
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT