Sesilany ny moto tratry ny loza mahatsiravina

Lehilahy 3 vao erotrerony maty teny Andraharo sy Masay


  • Talata 28 Janoary 2025

Ranolava ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona, indrindra fa ny avy amin’ny kodiaran-droa.

Tato anatin’ny 24 ora farany fotsiny, olona 3 izay tanora vao erotrerony no maty vokatry ny loza nateraky ny moto. Voalohany ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy, tovolahy miisa 2 mpiasan’ny haino aman-jery Kolo TV/FM no tra-doza teny Andraharo, izay samy namoy ny ainy avokoa, dia i Antsampitiavana Dimbiniaina Miadana Alifara sy Andriamanjaka Fanomezantsoa Nantenaina na Twady. Voalaza fa nandeha moto nanao taingin-droa izy ireo no nifandona tamin’ny fiara mpitondra « personnel », ka noho ny fifandonana mafy dia mafy, dia namoy ny ainy teo noho eo ny iray, ary teny an-dàlana hamonjy toeram-pitsaboana kosa ny tsy tana ny ain’ilay faharoa. Omaly alatsinainy 27 janoary tokony ho tamin’ny 8ora ihany koa, lehilahy iray vao erotrerony nandeha an’ireny moto elektrika ireny no maty tsy tra-drano tetsy amin’ny Marais Masay. Ny fanadihadiana no hamaritra ny tena anton’ny loza, fa raha ny fanazavana vonjimaika, dia nodomin’ny kamio ny « guidon » na familian’ilay moto, ka nianjera ary voahitsak’ilay kamio ilay lehilahy avy eo. Voalaza fa avy nanatitra ny vadiny niasa teny Ankorondrano izy io no izao tra-doza izao. Fanamarihana mandeha mikasika ny moto elektrika moa ny tsy fisiana feo ho an’ity fitaovam-pitaterana ity, ka mety ho antony iray mampitombo ny ambana ho an’ireo mpitondra azy manoloana ireo fitaovam-pitaterana hafa misy feona maotera midridridridry. Mankahery ny fianakavian’ireo namoy ny ainy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana. Ankoatra ireo, dia vao ny zoma 24 janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 9ora alina ihany koa no nisehoana loza mahatsiravina tetsy Anosy. Moto roa izay nanao taingin-droa ny iray ary nandeha irery ny iray no voalaza fa nifandona, ka ny olona iray tapa-tongotra, ary ny roa naratra kely. Mbola nohitsahin’ny fiara 4x4 marika Chevrolet Captiva niloko fotsy indray ireo moto efa tra-doza,r raha ny fitantarana, ka voalaza fa notetezin’ny fiara ny tongotry ny iray tamin’ireo mpandeha moto. Tsy nijanona fa nitsoaka ilay fiara, raha ny fitantarana tsotsotra,…

Mitombo andro aman’alina ny trangana lozam-pifamoizana ateraky ny kodiaran-droa na moto teto Antananarivo sy ny manodi¬dina. Teo anelanelan’ny volana janoary sy avrily tamin’ny taona 2024 ohatra, dia nahatratra 70 izany raha ny antontan’isan’ny DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière). Manodi¬dina ny 221 ireo olona lasibatra ary 203 ireo naratra, ka ny 163 ny lehilahy, raha 58 ny vehivavy. Nahatratra 18 ireo maty vokatr’izany, tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo, raha ny tatitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT