teny Ambohitrimanjaka
Nandriaka ny ra ny sabotsy nialohan'ny paska teo teny amin'ny Rocade Ambohitrimanjaka. Fiara iray nisy olona maromaro no nifandona mafy tamin'ny kamio, ka olona 3 mianaka be izao tao anatin'ny fiara madinika no namoy ny ainy, raha iray zaza kosa mbola manaraka fitsaboana. Mpivady vao erotrerony sy zanany iray mbola kely ireo namoy ny ainy, dia Andriamboavonjy Nomena sy Ramiliarisoa Tahina vadiny, ary Andriamboavonhy Rohiel Tojonirina Elie zanak’izy ireo. Mafy dia mafy ny fifandonana, potika tanteraka ilay fiara nisy azy 3 mianaka kely. Niezaka namonjy ireo lasibatra, natao ny ala nenina teny amin'ny hopitaly, saingy tsy tana ny ain’izy telo mianaka. Zanaky zanak'Itompokolahy Rev Mamy Andriamboavonjy Principal an’ny IAFTDC teo aloha teo anivon’ny Fiangonana Anglikanina izy telo mianaka ireto, raha ny fanamarihana. Tena sesilany ny loza mahatsiravina tao anatin'ny herinandron'ny fetin'ny paska na tamin'ny tanan-dehibe na tamin'ireo nivoaka ny lalam-pirenena. Nisy tranga mahatsiravina ihany koa teo Andranotapahana-Ivato ny alin'ny sabotsy teo. Kamio mpitatitra fasika sy moto miisa 3 no nifandona, izay tena nahatsiravina raha ny tatitra satria nisy naratra mafy tsy tompon'ny tenany nifamonjena saingy tsy fantatra izay niafarany. Nisy ihany koa ireo hafa toy ny fiara taksibrosy izay tra-doza, nivadika tao Ampasika miazo an'Ambohimiadana Andramasina, lasa tao anaty rano,... saingy mba tsy nisy namoy ny ainy, fa nisy kosa ny naratra,... Tranga iray omaly ihany, koa ny fisiana fiara sprinter iray nivoaka ny làlana ka nivadika ambony ambany teny Anosy Avaratra Sabotsy Namehana. Voalaza fa mamo ny mpamily. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tranga nialoha ireny, isan'ny nampihetsi-po ny mpanara-baovao ilay niseho ny 31 martsa teo teny amin'ny RN2 Andranomangatsiaka Manjakandriana. Fiara tsy mataho-dalana marika Terracan nisy olona 3 mianaka no voatsindrin'ny kamio nitondra kaontenera, ka mpianaka dia ny renim-piakankaviana iray sy ny zanany vavy vao erotrerony no namoy ny ainy, raha toa ka naratra kosa ilay raim-pianankaviana. Ilay ramatoa no nitondra an'ilay fiara hyundai terracan ary ilay zanany vavy no tao aoriana,ilay rangahy teo amin'ny devant. Ampahany tamin'ireo tranga namoizana ain'olona ireo izay hitondrana fankaherezana hatrany ho an'ireo fianakaviana namoy havana. Entanina hatrany kosa ny tokony hanamafisan'ny tsirairay ny fitandremana sy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana satria matetika dia ny tsy fitandreman'ny hafa no miteraka zava-doza ho an'ny tsy manan-tsiny. Tahaka izany ihany koa ny fahamalinana ara-mekanika sy ara-teknika amin'ny fiara,...
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.