Seranana mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa

Voasafidy ho mendrika indrindra ny seranam-piaramanidina Ivato


  • Talata 12 Martsa 2024

Azon’ny Seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato izay

tantanin’ny Ravinala Airports ny amboara seranam-piaramanidina mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa mendrika indrindra aty Afrika na « Best Airport under 2 Million Passengers in Africa », araka ny fanasokajiana nataon’ny ACI (Airport Council International World. Porofon’ny ezaka maro natao sy napetraka mba hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra amin’ny maha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena, ary hametrahana sy hanajana hatrany ny fenitra iraisam-pirenena eo amin’ny fahatongavan’ny vahiny eto Madagasikara na amin’ny kalitaon’ny tolotra na amin’ny fampiantranoana. Nametraka ho fanamby ny programa ASQ(Airport Service Quality) izay nofaritan’ny ACI Monde ny taona 2022, hahafahana mandrefy, manara-maso ary manatsara ny fahaiza-manao eo amin’ny tolotra ho an’ny mpandeha. Seranam-piaramanidina miisa 350 maneran-tany no nanaraka an’io ka ny zava-dehibe dia ny nahafahana nandrefy sy nanao fampitahana ny fahaiza-manao tamin’ireo seranam-piaramanidina maro be, indrindra fa teo amin’ny tolotra sy kalitao ho an’ny mpanjifa. Tao anatin’ny fanadihadiana ASQ izay natao mivantana tamin’ny mpandeha tamin’ny fotoana handehanana mihitsy, ka mason-tsivana sy tondro 30 mikasika ny fahaiza-manao eo amin’ireo dingana samihafa lalovan’ny mpandeha no nandrefesana azy, nijerena ny fahitan’ny rehetra ny fahaiza-manao sy ny fahatsapan’ny mpandeha. Nisy vokany izany ny fanavaozana sy fanitarana nataon’ny Fanjakana teo aloha ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena etsy Ivato.
Toky R

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT