Fifamoivoizana

Seranam-piaramanidin’Ivato sy Nosy be


  • Zoma 24 Febroary 2023

Nahazo fankasitrahana noho ny fifehezana ny « carbone »

Miezaka hatrany ny Ravinala Airports izay mpitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato sy ny Nosy Be mba hampanara-penitra ireo foto-drafitrasa roa lehibe ireo. Nisy araka izany ny fiaraha-miasany tamin’ny ACI Europe nahazoany ilay accréditation amin’ny fifehezana ny entona karbona amin’ny am-pahany voalohany na ny ACA (Accréditation Carbone des Aéroports) . Raha tsiahivina dia karazana mari-pankasitrahana iray omena ny seranam-piaramanidina ny ACA hanehoana sy hampahafantarana ny rehetra fa efa voafehiny tsara ny fitantanana ny carbone ho fiarovana ny tontolo iainana. Ny sampandraharaha misahana ny RSE (responsabilité sociétale des entreprises) no nomena io « accréditation » io, tamin’ny alalan’Atoa Marius Razafimahatratra tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny loza eo anivon’ity orinasa iray lehibe ity. Hafaliana lehibe ho an’ny Ravinala Airports ny fahazoan’ireto seranam-piaramanidina roa lehibe ireto izany. Mbola ny seranam-pianaramanidina eny Ivato sy ny Nosy Be ihany mantsy no voalohany nahazo izany eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Ravinala Airports ny hahatonga azy ho orinasa manana ny maha-izy azy sy fakan-tahaka aty amin’ny ranomasimbe Indiana izany amin’ny taona 2025. Tsiahivina moa fa anisan’ny asa sahanin’ny Ravinala Aiports ny hanitatra hatrany ny fahaiza-manaony sy hanampy traikefa momba ny fitantanana ny seranam-piaramanidina eto amintsika ka anisan’ireny ireo zotram-pitaterana an’habakabaka, ny mpandeha, ny resaka varotra, ny fret…
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT