Fifamoivoizana

Seranam-piaramanidina Ivato Vita ny 25%-n’ny asa fanitarana


  • Talata 06 Febroary 2018

Ny 25 %-n’ny asa fanitarana sy fanamboarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato no efa vita ankehitriny.


Natao “beton” avokoa ny fanambaniny iray manontolo  izay manana hatevenana  hatrany amin’ny 4.000 m3. Toraka izany  koa ny parking  izay mahazaka fiara hatrany amin’ny 400 isa. Tonga nitsidika sy nanara-maso ny fizotry ny asa omaly ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta. Nambarany fa  mpiasa miisa 300 no mahazo tombontsoa amin’ity asa fanitarana sy fanavaozana ny seranam-piaramanidina eny Ivato  hatreto.  Mbola hitombo ny isany,  indrindra aorian’ny fahavitan’ny fotodrafitrasa  izay sady hanomezana endrika ny tanàna. Miditra amin’ny dingana faharoa ankehitriny ny orinasa CMBI manatontosa ny asa, miaraka amin’ny Ravinala Aiports.  Eo am-panafoana ny ao amin’ny rihina voalohany izy ireo, izay marihina fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Haharitra 32 volana ny asa fanamboarana sy fanitarana ny seranam-piaramanidina. Tamin’ny taona 1968 no natsangana voalohany ilay  fotodrafitrasa  ampiasaina ankehitriny. Mahatratra 17 500 m² ny haben’ny seranam-piaramanidina vaovao, hisy ny varavarana 3 lehibe mitondra mivantana avy hatrany mankany amin’ny fiaramanidina. Hahazaka ny fiaramanidina amin’ny endriny sy ny habeny rehetra ny “piste” vaovao eny Ivato. Mpandeha 1,5 tapitrisa isan-taona no afaka mifamezivezy rehefa vita tanteraka ity seranam-piaramanidina vaovao ity. Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny toby miaramila vaovaon’ny 1er RFI teny Ivato ihany koa ny filoham-pirenena io omaly ary fantatra fa efa vita ny 40% n’ny asa.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT