Seranam-piaramanidina Ivato

Tsy hisy indrafo ho an’ireo polisin’ny PAF mandika lalàna…


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

anisan’ny antony mahatonga ny trafika amin’ny endriny maro mandeha, fa eo ihany koa ny fanararaotana samihafa, toy ny fitakiam-bola tsy ara-darariny, ny fahaverezana na fanokafana entan’olona,... izay mety ho avy amin’ny tsirambina na tsikombakomba. Ny sabotsy teo, nidina ifotony teny an-toerana ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala. Taorian'ireo fitarainana hita tamin'ny tambazotran-tserasera mahakasika ny trangana tsy fanarahan-dalàna dia nampahatsiahy an'ireo Polisy miasa ao amin'ity sampan-draharaha ity ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka nilaza fa hisy ny fepetra ho raisina amin'ireo izay minia mihoa-pefy ary hanaovana fanadihadiana manokana izay tratra manao izany. Naneho fa handray andraikitra manokana momba ireo Polisy tsy mahafa-po na ratsy fitondran-tena ny Minisitera. Nolazaina mihitsy aza fa tsy hisy famindram-po ho an'ireo izay tratra ary hampiharina ny sazy henjana, araka ny filazan’io Minisitra io ihany. Nentanina mba hanaraka ireo toromarika handaminana sy hampirindrana io sampan-draharaha io kosa ny olom-pirenena. Ny laharana 038 14 495 82 no nomen’ny Polisim-pirenena mba ho antsoina raha misy manana fanamarihana na mangataka fanazavana fanampiny momban'ny tolotra omen'ny sampan-draharahan'ny PAF. Tsy vao izao no nisiana fitarainana raha ny ao Ivato amin’ny resaka tsy fanarahan-dalàna na trafika vao mikorapaka ny tompon’andraikitra. Mety misy ny tsikombakomba fa eo ihany koa ny karazana tsindry mahazo ireo polisin’ny PAF izay matetika terena hikipy satria mena ambanin’ny mena. Betsaka ny manam-pahefana manararaotra sy manao tsindry ka ny ankamaroan’ny trafika tratra dia heverina fa sombitsombiny ihany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT