Fifamoivoizana

Seranam-piaramanidina Ivato Hohamafisina ny fiarovana ny ain’ireo mpandeha


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Mitohy hatrany ny asa fanamboarana sy fanajariana ny seranam-piaramanidina eny Ivato hiandraiketan’ny Ravinala Airports.

Ankoatra ny fanamboarana ireo karazana fotodrafitrasa maro toy ny fipetrahan’ny fiaramanidina…dia fantatra ihany koa fa hohamafisina ny fiarovana ny ain’ny mpandeha mivoaka sy miditra eto amintsika. Tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Ravinala Airports izany raha ny vina napetrak’izy ireo nandritra ny fandalovan’ny filoham-pirenena nitsidika ny fanombohan’ny asa teny an-toerana ny 12 jona lasa teo mba hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena araka ny fitakian’ny OACI (Organisation de l’Aviation Civile Internationale). Miitatra hatrany ny fiaraha-miasan’ny Ravinala Airports amin’ireo sampandraharaha maro samihafa, anisan’ireny ny CPC Chef de Corps du Corps de Protection Civile izay vao avy niara-nanatontosa sonia fifanekem-piaraha-miasa taminy teny Ivato omaly. Zava-dehibe ny famonjena ny ain’ireo mpandeha amin’ireo ranobe manodidina ny seranam-piaramanidina eny Ivato toy ny ranoben’i Laniera. Tanjona ny hahafahana manaja ny fenitra momba ny fiarovana ny ain’ny mpandeha, raha sanatria ka misy loza mitranga. Tsy betsaka anefa ny loza mitranga amin’ny fiaramanidina tahaka izany. Tsiahivina fa mampiasa fitaovana maro tokoa ny CPC amin’izao fiarovana ny ain’ny mpandeha tanterahiny izao toy ny sambokely haingam-pandeha, ny fiara 4x4. Nisy ny fanolorana fitaovana nataon’ny Ravinala Airports ho azy ireo ihany koa entiny hanatsarana ny asany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT